Hampakatra saran-dalana - Madagascar
Transcrição
Hampakatra saran-dalana ? Extrait du Madagascar-Tribune.com https://www.madagascar-tribune.com/Hampakatra-saran-dalana,4171.html Taxi-be Hampakatra saran-dalana ? - Malagasy - Date de mise en ligne : mercredi 16 janvier 2008 Madagascar-Tribune.com Copyright © Madagascar-Tribune.com Page 1/2 Hampakatra saran-dalana ? Mamely matahotra ihany ny taxi-be amin'ity fandraisana fepetra amin'ny saran-dàlana ity satria tsapan'izy ireo ny fahasahiranan'ny olona, nefa tsapan'ny olona ihany koa fa mandrangaranga fampakarana saran-dàlana ho avoavo kokoa ireo tompon'ny taxi-be. Vao nisy fanapahan-kevitr'izy ireo manokana mantsy amin'ny tsy fisian'ny saran-dàlana Ar. 200 intsony, saran-dàlana tapa-dàlana io. Ny zotra avy eny Anosibe aloha dia samy manana ny heviny sady ny sasany koa aza tsy mahalala io didy jadona io akory, hany ka ao ny mitondra amin'ny Ar. 200 miainga eo Anosizato mankeny Anosy. Sanganehana moa ny resevera satria làlana ihany iny ka tsy aleo ve entina ihany ? Ao kosa ireo resevera miseho ho tompon'ny fiara ka na fihantsonana iray aza no dinganina dia Ar. 300 ihany ny saran-dàlana. Ny ala olana dia ny fiakaran'ny vidin-tsolika, saingy odiana tsy hita ny kalitao na ny fomba fiasan'ny mpamily sy ny resevera, na ny fahadiovan'izy ireo, ary ny haratsin'ny fiara. Asam-bahoaka no ataon'izy ireo saingy toa tsy fantany akory izany. Manomboka amin'ny 6 ora sy sasany hariva eo dia efa miato amin'ny asany ny sasany. Ny haterin'ny fiara moa dia tsy lazaina intsony, ampian'ny fofona vokatry ny fitondrana entana tsy ara-dalàna. Tsikaritra moa tato ho ato fa niha goragora indray ny fanajana ny lalàna ka na ny polisy aza dia malaina hisakana azy ireny, na dia hita izao aza fa ny entana no mibahana ny seza. Ny polisy mitondra moto izao no tena manara-maso azy ireny, saingy vitsy dia vitsy ka tsy maharaka. Ny tapak' andro maraina no tena ahitana ny tsy ara-dalàna ataon'ireo taxi-be, indrindra eo Anosy eo. Ny zotra 150 sy 165 dia saika tsentsin'ny entana toy ny legioma sy voankazo ary hanikotrana. Eo no hilazan'ny resevera ny hoe « mandehana taxi rehefa tsy handeha ! » Dia asa aloha izay hiseho raha manandrakandrana manondrotra saran-dàlana eo ireo mpitatitra ireo satria tsy misy rahateo ny mpanelanelana toy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa fa dia mifampiresaka mivantana amin'ny vahoaka ireo mpitatitra. Mafy loha ireto mpitatitra ireto ka ny vahaolana dia ny famoahana ireo fiara vaovao amin'izay. Na Ar. 500 aza ny saran-dàlana dia tsy maninona rehefa tsara ny kalitao sy ny fiara, ary olona mba manana diplaoma CEPE farafaharatsiny no atao resevera. Copyright © Madagascar-Tribune.com Page 2/2
Documentos relacionados
Voaroaka ny mpivarotra amoron-dàlana - Madagascar
Voaroaka ny mpivarotra amoron-dàlana Extrait du Madagascar-Tribune.com https://www.madagascar-tribune.com/Voaroaka-ny-mpivarotra-amoron,5081.html
Leia maisThe Acts of the Prophet. Rev. Pearry Green. Chapter 6. Malagasy
miakanjo tena mamirapiratra ary akanjona mpanjaka, ary hery lehibe no nomena azy. Tsara tarehy izy raha jerena, kanefa misy zavatra “toa enjana be (masiaka) rehefa tena dinihina”, hoy ny Rahalahy B...
Leia maisFitsipi- pitondratenan`ny
“intranet” indrindra indrindra dia fanànanan’ny Vondrona ary tsy ampiasaina raha tsy ho an’ny asa ihany. Ny fampiasana azy ho an’ny tena manokana dia tsy azo atao raha tsy ao anatin’ny fetra voalan...
Leia maisADRIAMANITRA DIA MAZAVA (FAHAZAVANA).
dia raitra, naka sary an’i Rahalahy Branham indroa raha teo ampitoriana teny iny izy. Ny sary voalohany dia ara- dalàna ary voaray tao ny zavatra azo tao: ny polipiotra, ny fandraisam-peo) i
Leia mais1 - Akamaihd.net
ambony indrindra misy fitandremana feno fiheverana sy halemempanahy Izy, raha nifampiraharaha tamin’ olona. Na oviana na oviana anefa tsy mba nanao teny manafintohina na mamelively foana, na nampal...
Leia mais