jolay 2014 - suore di don orione

Transcrição

jolay 2014 - suore di don orione
“Sombiny kely” isam-bolana mba
“hampivondronana ny zavatra rehetra ao amin’i Kristy”
JOLAY 2014
Fandalinana ny Décision mikasika ny style de vie Actes du XI CG
Vivre les voeux avec un style de communion comme: être “libre de” et être
“libre pour” (Dimension sacerdotale: n° 15, p. 41)
Horaisintsika indray, taorian’ny fankalazana ny Assemblée locales, ny fandinihana mikasika ny “style de
vie”. Ny “sombiny kely” androany dia mampifandray antsika amin’ireo “voady”, ary nohon’ny fotoana dia
zavatra roa no hijanonantsika: ny fahafahana sy ny fiombonana
Ny fahafahana: vakintsika ao amin’ny GS 17: “Ny fahamendrehan’ny olombelona àry dia mandidy azy
hanao zavatra an-tsafidy malalaka ara-kôsiansy, ka ny fisian’ny tenany no manetsika sy mametra izany, fa ny
tosika tsy am-piheverana na fanerena avy ety ivelany. Mahazo izany fahamendrehana izany ny olombelona,
rahefa niala tsy ho andevozin’ny filan-dratsy, ka misafidy ny tsara, mizotra amin’ny anjara soany izy
amin’izay, ary mampiasa ny sainy mahiratra ho enti mahazo izay ilainy”.
Noho izany, ity lahatsoratra ity dia mampahatsiaro antsika fa ny fanaovana ny voady, ho antsika dia antoky
ny fahafahana ambony sy “fisafidianana malalaka ny tsara”. Ny fanaovana ny “voady” dia tsy hoe
“fandavana”, fandavana na fanaovana tsinotsinona ny sitrapo, ny fananana na ny maha-vavy: ny voady dia
tsy fanaovana “tsia” fa fanaovana “eny”. “Eny” amin’ny “antso avy amin’Andriamanitra” sy “eny” “valintenin’olombelona”, avy amin’ny fanapahan-kevitra am-pahatongavan-tsaina, safidy malalaka, mifanaraka
amin’ny fiainana sy tompon’andraikitra, hita ho toy ny fahamarinana tokana eo amin’ny fiainan’ny tena
manokana. Io “eny” io dia mitaky exigence spécifiques eo amin’ny fiantsoan’Andriamanitra sy ny
fanomezam-pahasoavana izay raisina an-kalalahana, araka izany dia ireo fandavana; tafiditra ao anatin’izany
ny fanamarinana sy ny fampitahana amin’ny style de vie noraisina, ka amin’izay fotoana izay, ny
“fisafidianana ny fiainana noraisina tamin’ny fotoanan’ny voady dia mety ho fomba iray hanaovana point de
référence maharitra sy fanalahidy iray tsy miova hanaovana interprétation ireo fanapahan-kevitra rehetra ho
amin’ny ho avy” 1.
I Jesoa no môdely lavorary ho antsika eo amin’ny fahafahana. Amin’ny alalan’ireo safidiny no ampianarany
antsika fa ny fahafenoan’ny fahafahana dia arakaraky ny hanomezan-toerana maha Tompo an'Andriamanitra
ao amintsika, noho izany, ny fahafahana natolotr’i Kristy dia manao dingana ara-kalitao amin’ny maha
ambony ao amin’ny fanahintsika sy isika mihitsy (autodétérmination) ao amintsika Ilay an'Andriamanitra:
“Ny haniko dia ny manao ny sitra-ponao, Ray ô”. Izay sitra-pon’Andriamanitra izay no nitondra azy tsy
hanaiky opprimere amin’ny condition na anaty, na ivelany, na sôsialy na ara-pinoana, hatramin’ny
nandraisany ny fijaliana sy ny fahafatesana ho toy ny mari-pitiavana ambony indrindra sy fifanarahan’ny
fiainana amin’ny safidy natao: amin’ny alalan’ny eny tany an-tanimbolin’Oliva no hanehoany amintsika fa
miaraka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy nohon’ny asan’ny Fanahy Masina dia azao atao tsara ny
miaina ny maha olon’afaka, tompon’ny tena, amin’izay zava-misy, eny fa na dia ireo tena opprimenti2 aza.
Amin’ny alalan’izay fahazavana nentin’ny fandinihana izay dia azontsika atao ny mahazo izay izay tian’ity
loha hevitra ity hatolotra ntsika androany: “miaina ireo voady mba ho afaka amin’ny sy afaka mba”. Raha
iainana amin’izay toe-panahy izay sy am-pahalalana tokoa ireo “voady” dia ho tonga loharanon’ny hafaliana,
haravoana, fahalalahan-tànana, fécondité fraternelle et apostolique. Fa raha tsy izany kosa, na ho antsika na
ho an’ny hafa dia ho toy “garaba” ny “fahitany antsika”, ka na ho ela na ho aingana, dia hahatonga antsika
malahelo lava, marary, tia tena, mpihatsaravelatsihy, vokatr’izany tsy azo inoana sy tsy mahatarika (Papa
François kosa dia hiteny hoe: “antibavy ampitovoana ka kizintina” tsy misy endrika fa toy ny “poivron anaty
vinaingitra!”)
Farany, ny fiombonana: “iainana amin’ny fomba mampiombona ireo voady”. Ny safidy ny
fiantsoan’Andriamanitra antsika dia mametraka antsika ao anatin’ny ankohonam-piainana: anaty
Fianakavian-drelijiozy, anaty Province na misiona, anaty ankohonana voafaritra tsara, anaty Fiangonana eo
an-toerana ary ao amin’ny asa mazava tsara. Ny maha-anisan’ny fianakaviana iray toy ny PSMC, dia
mampiditra antsika ao amin’ny “projet charismatique” iray iombonana sy noraisin’ny tsirairay an-kalalahana.
Tsy “mandeha irery” isaika na “singan’olona”, eny fa na dia miantso antsika amin’ny fomba individuel na
1
2
Rodriguez Carballo J. ofm, segretario CIVCSVA, Fidelité et perseverence vocationnelle, Rivista Testimoni, 6/2014, p. 22.
Cfr. Cappellaro JB, Spiritualità di comunione, La spiritualità dei consigli evangelici, EDB 2008, pag. 601 ss.
personnel aza ny apostola na ny mission amin’ny fanatanterahana azy, “ampahany” amin’ny “vatana” iray
isika. Na dia tsy “valin-teny malalaka sy samy irery” aza ny “voadintsika” matetika, dia tafiditra amin’ny
fiainan’ny vata iray ihany, natin’ny Ankohonam-piainana iray, anatin’ny fanomezam-pahasoavana iray. Ny
hoe “afaka amin’ny”, dia afaka amin’ny individualisme, amin’ny fanaovana ny tena ho fakana reférence,
amin’ny fitokatokanana, amin’ny fitokana-monina ... ny hoe “afaka mba” kosa dia afaka mba hitia, mba
hanompo, mba hanorina, mba hanome aina sy hanome fiainana.
Izay no atao hoe “style comunional” izay niantsoana antsika tamin’ny alalan’ny “voady”: ny fitiavana madio
izay mitondra mankany amin’ny olondrehetra voalohany indrindra, mba hitia ny rehetra sy hanorina firaisankina izay fototry ny firahalahiana maneran-tany, fanaovana expérience de gratuité sy tsy mila tambiny eo
amin’ny fiainana andavanandro: tsy inona fa fifankatiavan’ny mpinamana izay mitondra mankamin’ny
fanoloran-tena an-kitsim-po, malalaka, misokatra ary disponible ho an’ny rehetra; ny fahantrana dia azo
aseho eo amin’ny tantara amin’ny alalan’ny firahalahiana mari-pototra, tena izy, tsy hoe mifidy ny tsy hananjavatra fotsiny, fa ny fanomezana ny zavatra rehetra mba hiombonana ao antin’ny vondron’olona kely,
firaisan-kina, fahaiza-mangoraka, fijoroana ho vavolombelon’ireo fananana tsara marina, ny
Fanjakan’Andriamanitra; ny fanekena izay
fahalalahana
malalaka
manoloana
ny tetipamonjen’Andriamanitra sy ny adidy, amin’ny alalan’ireo mpanelanela isan’ambaratongam-pitondrana,
amin’ny fanatontosana an-tsakany sy an-davany ny asam-panirahana ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra: ny
olona izay miaina ny fanekena marina araka ny Evanjely dia afaka amin’ny tenany sy ireo heviny, mba
hanolo-kevitra na mba hanaraka ho azy, manaiky ho ampiasain’Andriamanitra irery, amin'ny fahavononana
tena izy, amin'ny fiombonana amin'ny fikambanana3.
Hifampizarantsika: inona ny fiofanana efa azontsika mikasika ny loha hevitra androany? Ahoana no mba
efa hiainantsika an’izay style “comunional” sy “libre” izay? Inona avy ireo zavatra mbola banga hitantsika
amin’ny fiainana ny voady araka ity style ity? Mirary soa amin’ny rencontre!
3
Cfr. ibidem pag. 604-629.