ANDRO MANOKANA FIFADIAN-KANINA SY FITOLOMANA
Transcrição
ANDRO MANOKANA FIFADIAN-KANINA SY FITOLOMANA AMAM-BAVAKA FANDAHARAM-POTOANA HO AMIN'NY SABATA 4 JOLAY FOLAKANDRO Nomanin'i Pastora André Phésor-Filohan'ny Departemanta Fiainam-pianakaviana ao amin'ny Union des Fédérations Ranomasimbe Indianina TENY FAMPIDIRANA Ho foto-kevitra dinihintsika amin'ity Sabata folakandro ity dia manasa antsika hifantoka amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany amin'ny fanahin'ny fivavahanaka miainga avy amin'ny fanoharana momba ny zanaka adala izay hitantsika ao amin'ny filazantsaran'i Lioka ary miangavy antsika hamaly fanontaniana sasantsasany. Ny tarika tsirairay dia hanendry mpitan-tsoratra izay hanao tatitra ny amin'ny lesona nosintonin'izany tarika tsirairay izany. - “Indreto misy fanambarana sasantsasany nataon'i Mme White hanampy antsika ny amin'ny fifanakalozan-kevitra ao amin'ny tarika,fanambarana nosintonona avy ao amin'ny Henoinareo ny Fanoharana.” - “Na inona na inona fisehoany ety ivelany,nyfiainana rehetra mifototra amin'ny tena irery ihany dia very maina.” - “Na iza na iza manandrana ny miaina hanalavitra an'Andriamanitra dia mandanilany foana ny fananany,manobatoba ireo taonany sarobidy,manobatoba ny herin'ny sainy sy ny fony sy ny fanahiny ka miasa hahafaty antoka ny tenanay ho mandrakizay. Ny olona izay misaraka amin'Andriamanitra mba hanompoany ny tenany dia andevon'i Mamona.” - “Ny fitiavan'Andriamanitra dia mbola mangoraka ihany an'izay minia ny hisaraka aminy ary mampihetsika hery miafina hitarika azy hiverina ao amin'ny tranondRainy.” - “Teo amin'ny toerana mapalahelo nisy azy dia mbola natoky ny fitiavan'drainy ihany ilay zanaka adala. Io fitiavana io nonanintona azy hody any aminy . Toy izany koa fa ny fahatokiana ny fitiavan'Andriamanitra no manery ny mpanota hiverina amin'Andriamanitra. Tsy nandray anjara tamin-drainy ny amin'ny ahiahy sy ny fitazanana ilay efa very ity zanany lahimatoa ity. Noho izany dia tsy nandray anjara koa izy teo amin'ny fifalian-drainy tamin'izao fiverenan'ilaynania izao.” FIZARANA VOALOHANY Pejin'ny Fiderana (10 mn) Vavaka fanokafana (01 mn) Vakiteny : (Lio 15:11-32) Vavaka « Dera ho an'Andriamanitra irery ihany » (02 mn) Famakiana ny diam-penin'i Mme White (02 mn) Fanontaniana sy valiny ao amin'ny tarika (15 mn) - Misy ifandraisany amin 'ny fiverenan'i Jesosy ve io fanoharana io ? - Inona no lazain'io fanoharana io amintsika ny momba ny rain'ilay zanaka adala ? - Inona no lesona azontsika sintonina ny amin'ny fihetsiny ? Fiaraha-mivavaka iombonan'ny tarika (12 mn) Ataovy antom-bavaka ireto zava-dehibe manaraka ireto : - Mafana fo amin'ny vavaka ataon'ny tena manokana indray - Ny hiverenan'ireo mambra efa niala tamin 'ny fiangonana - Ireo tompon'andraikitra eo amin'ny Fiangonana sy ny ankohonanay (mpitandrina,loholona,talem-piangonana,filohan-tsampana) Hira (03 mn) Fijoroana ho vavolombelona (05 mn) (Fisaorana,fanandramana niainana niarahana tamin'Andriamanitra,valim-bavaka,....sns) FIATOANA KELY FIZARANA FAHAROA Pejin'ny fiderana (10 mn) Vavaka fanokafana (01 mn) Vakiteny: Lio 15:12-20a (05 mn) Vavaka « Fiaiken-keloka sy fibebahana » (02 mn) Fanontaniana sy valiny ao amin'ny tarika (15 mn) - Inona no lazain'io fanoharana io amintsika ny amin'ilay zandriny ? - Inona no lesona tsoahina avy amin'ny fihetsiny ? - Mitarika anao ho amin'ny fianianana hanao inona ny toe-javatra niainan'io zandriny io ? Fiaraha-mivavaka ao amin'ny tarika (12 mn) Mivavaha ho an'ireto antony manaraka ireto : - Ireo manano-tena - Ireo marary (ara-batana sy ara-panahy) - Ireo fianakaviana ao amin'ny fiangonana (mpivady,ray aman-dreny,ankizy,tanora) Hira (03 mn ) Fijoroana ho vavolombelona (05 mn) (Fisaorana,fanandramana niainana niarahana tamin'Andriamanitra,valim-bavaka azo, sns........) FIATOANA KELY FIZARANA FAHATELO Pejin'ny fiderana (10 mn) Vavaka fanokafana (01 mn) Vakiteny : Lio 15:25-32 (05 mn) Vavaka « Fisaorana ranoiray fotsiny » (02 mn) Fanontaniana sy valiny eoanivon'ny tarika (15 mn) - Inona no lazain'io fanoharana io mikasika ilay lahimatoa ? - Inona no lesona sintonintsika avy amin'ny fihetsiny ? - Mitarika anao ho amin'ny fanoloran-tena inona ny fanadramananiainan'io lahimatoa io ? Fiaraha-mivavaka eo anivon'ny tarika (12 mn) Mivavaha ho an'ireto antony manokana ireto : - Fifohazana marina eo amin'ny mambra tsirairay. - Firotsahan'ny tsirairay amin'ny fanaratoana olona (mambra iray /fanahy iray) Hira (03 mn) Fijoroana ho vavolombelona( 05 mn) (Fisaorana,fanandramana velona niarahana tamin'Andriamanitra FIATOANA KELY
Documentos relacionados
Teny Fampidirana.
Arizona, tamin'ny lohataonan'ny 1969. Noho izany dia "boky miteny," ary na dia efa natonta aza, dia mbola mitana ny tsiron’ny fampianarana amin'ny andian- dahateny. Ity boky ity dia momba ny lehila...
Leia maisHow to make a boomerang
5. Tapaho madio amin’ny hety ilay baoritra misy ilay boomerang. 6. Apetraho amin’ny toerana fisaka ilay boomerang ary raha toa ka miforitra dia ahitsio. 7. Makà fitsipika dia apetraho eo amin’ny ts...
Leia maisboky torolalana - Church of the Nazarene
"Ny iraky ny Fiangonan'ny Nazareana dia mamaly ny Iraka Lehibe an'i Kristy manao hoe: 'Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra'" (Matio 28:19). "Hampandroso ny Fanjakan'And...
Leia maistoriteny - Archidiocèse d`Antsiranana
manompo. Tsy fahefana nentina mamoritra ny fahefan'i Jesoa fa fahefana ho entina manompo, mitady ny soa ho an'ny hafa, mikatsaka mandrakariva izay hanasoa hanatsara fa tsy hanaratsy na oviana na ov...
Leia maisfiofanana natao ho an`ireo tompon`andraikitra ao amin`ny
tsy maintsy mandoa manontolo ny saram-pikojakojana ny tambajotra ny mpikambana rehetra ao anatin'ny fotoana nifanarahana, ny fitakiana izany vola izany dia andraikitrin'ny mpikambana ao amin'ny bir...
Leia maisRI UGBM lany t@ Zaikabe 2007 - Groupe Biblique Local Sambava
Ny antsoina hoe GBL dia fitambaran’ny Fikambanana G B (GBU, GBS, Sakaiza) eo amin’ny toerana iray ka ny Délégué UGBM no mandrindra ny asa ao. Mety misy GBU sy GBS ary Sakaiza mitambatra ho GBL iray...
Leia mais